Tanterahina anio sy rahampitso etsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, ao amin’ny efitrano fahefatra ny fotoam-pitsarana mahakasika ny raharaha Ambohimalaza. Namoizan’aina olona 35 isa tamin’ny volana jona 2025. Araka ny fanambarana navoakan’ny minisiteran’ ny Fitsarana, halefa mivantana amin’ny pejy facebook ofisialin’izy ireo sy amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) ny fotoana. Mifototra amin’ny fehezan-dalàna momba ny paikady heloka, ao amin’ny andininy 358 an-dalana faharoa, didy hitsivolana laharana faha-83-022 tamin’ny 30 Septambra 1983, ity fampiasana fitaovana fampitana sy fandraketana sary ary feo mandritra izany. Tsiahivina fa nanatanteraka hetsika fankalazana tsingerin-taona nahaterahana teny Ambohimalaza ny tovovavy iray antsoina hoe: Fenohasina, ny alin’ny 14 hifoha ny 15 jona 2025. Maro ny olona narary izay niafara tamin’ny fahafatesana vokatry ny fihinanana sakafo izay naroso teny an-toerana. Voalaza fa fanapoizinana niniana natao ny nahafaty ireo olona ireo tamin’izany. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny tomponandraikitra, voalaza fa poizina antsoina hoe: Datura sy Belladone, no nahatonga ny loza. Nitodika tamin’ny fisiana botulisme de guerre izany taty aoriana. Maro ny zavatra andrasan’ny maro amin’ity raharaha ity, toy ny fahafantarana ireo olona voarohirohy. Eo koa ny fahafantarana ny tena antony nahafaty ireo olona maro be ireo. Ankoatra izay, ny tena atidoha nikotrika ny fanapoizinana olona na niniana natao tokoa na tsia.
Mino





