Homamiadan’ny prostaty : Vita eto Madagasikara ny fitsaboana, tsara ny manao fitiliana mialoha

Tsy misangy ny aretin’ny homamiadana. Fitiliana hahafantarana mialoha ny aretina ihany no tsara indrindra. Vita eto Madagasikara ny fitsaboana ny homamiadan’ny prostaty raha fantatra mialoha izany.

Miresaka momba ny homamiadan’ny prostaty ny Dr Raza­fitahinjanahary Lucien, ao amin’ny sampan-draharaha Urologie, CHUJRA Ampe­filoha.
Aorian’ny homamiadan’ny avokavoka dia ny homamiadan’ny prostaty no mpahazo ny lehilahy. Lehilahy miohatra ny 50 taona no ahina ho voan’ny homamiadan’ny prostaty. Raha misy fianakaviana akaiky efa voan’ny homamiadana dia mila mailo ary manao fitiliana manomboka ny faha-45 taona.
Misoko mangina ny aretina ary tsy misy fambara hita maso. Tokony hanao fitiliana ihany anefa na tsy misy fambara aza ahitana mialoha ny aretina hanamorana ny fitsaboana.
Rehefa tena lasa lavitra ny aretina, mety ho lasa mahia ny marary, sempotra, marary ny lamosina…
Karazana nofo maniry amin’ny taova iray izay tsy manaraka ny fivoaran’ny fitombon’io taova io ny homamiadana ary mirongatra tsy voafehy ka miparitaka amin’ny vatana izay entin’ny ra ary mifindra amin’ny taova hafa ka lasa sarotra ny fitsaboana.
Aorian’ny fijeren’ny dokotera, misy fitiliana ra ijerena ny PSA atao amin’ny marary. Raha voaporofo ny fiakaran’ny PSA dia hakana singa ny prostaty ary alefa any amin’ny laboratoara hijerena na misy tokoa ny homamiadana na tsia. Raha azo atao ny manila ny prostaty dia esorina manontolo izany. Azo atao izany rehefa tsy mbola miparitaka ny aretina. Miankina
amin’ny toe-batan’ny maray ihany koa raha mahazaka fandidiana ny marary na tsia.
Misy ny fitsaboana hafa tsy hampiparitaka ny aretina raha toa ka tsy mahazaka fandidiana intsony ny marary. Vita eto Madagasikara avokoa izany raha ny nambaran’ny Dr Razafitahinjanahary Lucien.
Manao fitiliana maimaimpoana ho an’ireo misoratra anarana mialoha ny CHUJRA amin’izao volana novambra manga izao. Ny 27 novambra izao no hanatanterahana izany. Tsy tokony hisy tahotra na fisalasalana ny famantarana mialoha ny aretina.

Tatiana A

Partager sur: