« Concert » no atolotra fa tsy antsam-panahy. Iray amin’ireo hampiavaka ny seho hotanterahin’ny Choeur Hazavana eny Alasora io. Hanampy izany koa ny fanehoana ny fahaiza-mamorona eo amin-dry zareo
Taona 1995, niorina ny Hasina sy Feon’ny Fanantenana. Taona 2012, nanomboka nisalotra ny anarana Choeur Hazavana Alasora. Ny tolakandron’ny sabotsy 21 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CCEsca Antanimena no hanolotra fampisehoana hiavaka sy goavana ny Choeur Hazavana Alasora, araka ny nambaran’ny filohany Ramarosandratana Vero Lalaina. Nomarihan’i Thierry Ris Man, mpamoron-kira, miandraikitra ny fandrindrana ankapobeny ho an’ny Chœur Hazavana Alasora fa « hasongadina anatin’ity seho ity ny fanandratana ny maha Malagasy sy ny fanehoana fa manan-karena ngadon-kira i Madagasikara. Hatambatra ao anatin’ny sanganasa iray amin’ny fomba kanto ny bankira avy any amin’ny lafivalon’ny Nosy ». Nohamafisiny fa voka-pikarohana eo amin’ny famoronan-kira sy ny sehatry ny famolavolana fampisehoana nandritra ny fotoana maro avokoa no ho heno sy ho hita mandritra ity seho miavaka ity. Hisy ihany koa ny fanehoana soradihy izay iarahana amin’
ny Kaompania “Arangao”. Nanterin’i Thierry Ris Man, fa « seho an-tsehatra (concert) no hatolotra ho an’ireo mpankafy sy mpijery ho tonga eny an-toerana fa tsy antsam-panahy akory ».
Hisy fizarana efatra ny seho hatolotr’izy 37 mianadahy avy amin’ny Chœur Hazavana Alasora izay hiompana amin’ny fitarihana ny olombelona tsy hisara-dalana amin’ Andriamanitra. Marihana fa izy ireo no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanan-kira « Victoire Rasoamanarivo ».
HaRy
Razafindrakoto.





