Badminton – Mada «séniors 2026» : Hiaro ny voninahiny i Joy Toky sy i Stephania

Taorian’ny fifanintsanana natao ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 novambra lasa teo, hotanterahina rahampitso sabotsy, etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny dingana manasa-dalana sy famaranana eo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja badminton sokajy “senior” lahy sy vavy “série A”, misy ireo “elite”. Hiaro ny anaram-boninahiny amin’ity, i Joy Toky eo amin’ny lehilahy sy i Stepha­nia ho an’ny vehivavy. Izy mianady ireo izay samy mpila­laon’ny MB2 All Analamanga avokoa.
Raha ny fandaharam-potoana, hifanandrina amin’i Joy Toky eo amin’ny ankatoky ny famaranana, i Alfa avy
amin’ny DDBC. Ny manasa-dalana ilany, hifanandrinan’i Thierry, mpilalaon’ny ST Joseph sy i Keman (DDBC), izay tompondaka lefitra. Ho an’ny vehivavy, hifampitana eo amin’ny manasa-dalana, i Stephania sy i Asminah (DDBC) ary i Aina avy amin’ny MB2 All, tompondaka lefitra sy i Mian­gola, atletan’ny ST Michel Itaosy. Hiara-dalana amin’ity “serie A” ity koa ny an’ny “B” ho an’ny tsy matihanina sy ny “C” ho an’ny mpilalao anto­nony ary ny an’ny “D” dia ireo vao manomboka sy ny “veterans”. Tsiahivina miisa 3 ny ligim-paritra nandray anjara tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity dia Analamanga, Vakinanka­ratra ary Antsinanana.

Tompondaka

Partager sur: