Taorian’ny andro fahatelo sy fahefatra ny fifanintsanana Can 2027, nilatsaka indray ny laharan’ny ekipa nasionaly malagasy ao amin’ny Federasionina iraisam-pirenena Fifa. Voasongon’i Comores indray ny Barean’i Madagasikara.
Namoaka ny filaharana vaovao an’ireo firenena mikambana ao aminy, ny Federasionina iraisam-
pirenen’ny baolina kitra (Fifa), afakomaly. Nilatsaka laharana telo, izany hoe, any amin’ny faha-109 ny ekipa nasionaly malagasy, raha toa ka faha-106 ry zareo, ny volana septambra lasa teo.
Nampidina ny filaharan’ny Malagasy ao amin’ny Fifa, ny vokatra ratsy azon’izy ireo nandritra ny andro fahatelo sy ny fahefatra amin’ny fifanintsanana Can 2027 farany teo.
Tsiahivina fa nisaraka ady sahala, 1 no ho 1 ny Barean’i Madagasikara sy ny OS Djurtus Guinée-Bissau, tamin’ny fihaonana mandroso, ary resin’ ny gineanina, 2 no ho 0, ny Malagasy, tamin’ny fifandonana miverina.
Tsara ny mampahatsiahy fa manana isa 2 anatin’ny vondrona “L” ny Barea, tao anatin’ny lalao efatra vitany, ary tsy tafita any amin’ny Can 2027 intsony, na mahita fandresena roa mandritra ny andro roa farany aza. Ankoatra izay, efa tsara toerana hiatrika ny Can 2027 indray ny Nosy rahavavy Comores. Miakatra eo amin’ny faha-105 ny kaomorianina.
Hitohy ve ny asan’i Corentin Martins…?
Mametra-panontaniana ny mpankafy maro, ny amin’ny mety hoavin’ny Barean’i Madagasikara sy ny mpanazatra Corentin Martins. Marihina fa tanjona iray napetraka ho tratrarin’ity teknisianina vahiny ity ny hahatafita ny Barea any amin’ny Can. Tsy tanteraka nefa izany, ka mbola hanohy ny fiara-miasa miaraka aminy ve ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) sa tsia ? Ny volana marsa ho avy io no hidona amin’i Tanzania sy i Nigeria indray ny ekipa nasionaly malagasy.
Fitia Randria





