Mikarakara lalao fihantsiana ho an’ireo ekipa avy eny amin’ny kartie, ny Kaomisionina ny Rugby eto amin’ny faritra Analamanga, ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Anisan’ireo fifanandrinana andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonan’ny USA Ankadifotsy sy ny RCSA Anosibe.
Tsiahivina fa ny mpilalaon’Anosibe, klioba vao niakatra ao amin’ny federaly I, Top 12, ary niakatra diviziona hatrany ry zareo, hatramin’ny nilalaovany teo amin’ny sehatra federaly. Ekipa iray efa fanta-daza eto Madagasikara kosa ny USA Ankadifotsy, nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ry zareo farany teo.
Raha ny fantatra, hampiasa ny fitsarana amin’ny alalan’ny horonantsary, “arbitrage video” ny mpikarakara amin’ity hetsika ity. Raha tsy misy ny fiovana, hahazo omby ny ekipa mivoaka mpandresy amin’izany.
F.R





