Araka ny tati-baovao tao amin’ny tambanjotran-tseraserany, omaly, nilaza ny klioba HCEST Toliara fa tsy handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2026). Fihaonana tanterahina any Maurice ny 21 ka hatramin’ny 28 novambra ho avy izao.
Hotanterahina ny alahady 22 novambra, ho avy izao ny dingana fahadimy amin’ny Karting. Fihaonana karakarain’ny klioba SRK, izay nampitondraina ny anarana hoe: Trophées. Hanana ny lanjany goavana ity fihaonana ity satria mety hamaritra izay hisalotra ny anaram-boninahitra ho an’ny taom-pilalaovana 2026.
Hitohy any Antsirabe ny sabotsy 21 novambra, ho avy izao ny fitiliana ireo baolina vehivavy. Ao amin’ny kianja Velodrome no hanatanterahina izany. Ho tonga hanao ny fitiliana any an-toerana, ny teknisianina avy amin’ny Fifa, i Jean-Jacques Pierre.





