Baolina kitra – «Pro Ligue 2027»: Vinavinaina hanomboka amin’ny 18 desambra

Araka ny filazan’ny filohan’ny fikambanan’ny klioba elita eto Madagasikara (CFEM), Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta), omaly, tamin’ny antso an-tariby, vinavinaina hanomboka ny 18 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona voalohany “pro ligue”. Raha ny fanazavana nataony ihany, efa nanatanteraka fivoriana mahakasika ny fanombohan’io fifaninanam-pirenena io, ry zareo mpikambana omaly, ary tsy miova ny firafitry ny fifaninanana fa hisy ny kaonferansy avaratra sy atsimo. Ireo klioba farany isaky ny kaonferansy tamin’ny taon-dasa teo ihany no mivarina diviziona faharoa. Nambarany fa ny klioban’ny AS Fanalamanga, izay niala an-daharana tamin’ny taon-dasa, mihintsana ao amin’ny vondrona avaratra raha toa ka ny ekipan’ny COSPN, mivarina ho an’ny atsimo. Miakatra manolo ny toeran’izy ireo ny GNFC Vakinankaratra, tompondaka D2 National farany teo sy ny Wagner FC, faharoa. Noha­mafisiny fa tsy mbola mahafantatra ny resaka mandeha amin’ny mety ho handraisan’ny federasionina ny fifaninanana izy ireo. Saingy, nomarihany fa efa ao anatin’ny fikarakarana ny fifaninanana ry zareo ankehitriny. Tsiahivina fa ny CFFA Andoharanofotsy no tompondaka farany ary niaro ny voninahi-pirenena farany teo. Nihintsana teo amin’ny dingana faharoa izy ireo nandritra ny fifaninanana afrikanina.

Fitia Randria

Partager sur: