Jiu-jitsu Brezilianina : Atleta telo nitondra medaly volafotsy

Nifarana omaly, tany Abu Dhabi, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja Jiu-jitsu brezilianina. Mpikatroka telo tamin’ireo 19 nifanintsana tamin’izany ihany, nitondra ny medaly, izay volafotsy avokoa. Anisan’izany ny teo amin’ny vehivavy, izay nahitana an’i Nofy Chuck, sy Ranaivomanana Idealisoa. Ranarivelo Ando Mahasoa, ihany kosa, ny lehilahy nandrombaka izany medaly volafotsy izany, nandritra ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Tsara ny mampatsiahy fa ny taona 2025 lasa teo, efa nandray anjara ta­min’ny lalao iraisam-pirenena tahaka izao ry Idealisoa sy Ando Mahasoa, ka nivimbina ny medaly volamena, i Idealisoa, raha toa ka alimo, ny an’i Ando Mahasoa, tamin’
izany. Raha hiverenana kely ny vokatra omaly, nihintsana teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ho an’ny sokajy lehilahy -77 kilao, i Andy Rasamy Anoharana. Tsy tafavoaka teo anatrehan’ilay mpikatroka avy any Tadjikistan, Behnam Shakhidi, ity Malagasy mpikatroka ity. Raha toa ka efa nandavo an’ilay italianina, Marco Facchin, tany amin’ny ampahavalon-dalana.

Fitia Randria

Partager sur: