Hotanterahina etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, amin’ity sabotsy ity ny dingana famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja Badminton. Hiatrika izany ny sokajy «sénior» lahy sy vavy ho an’ny «série A, B, C, D» lahy sy vavy ary ny an’ny “veterans”.
Firenena 19 ahitana ekipa miisa 32 lahy sy vavy, no hiady izay ho lohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Fiba 3 x 3 Africa Cup 2026. Fifaninanana hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny 3 ka hatramin’ny
6 desambra ho avy izao.
Hanomboka amin’ity sabotsy ity, any Thaillande ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe sokajy “senior” lehilahy. Hisantatra izany, amin’ity sabotsy ity, ny fifaninanana mitifitra “tirs de precision”. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany i Tendry. Ny alahady kosa vao handeha ny fifaninanana ho an’olon-telo miaraka.





