« Che Bel Canto » : Fomba hafa no niainana ny “Revy Samoëla”

Monika Njava, Tosy ary r’Ikala Vazo. Izy ireo no nosafidiana hanome aina vao araka ny talentany avy ireo sanganasan’i Samöela. Dia nivadika ho hira tsaroan’ny tantara izay rehetra nalahatra tamin’ny fiverenan’ny “Che Bel Canto’”, omaly.

Tsy nitovy ary tsy sahala. Tsy hanam-paharoa, araka izany iny « Che Bel Canto ! », niarahana tamin’i Samoëla iny. Toa izay indrindra anefa ny tanjona sy fototr’ity andiam-pampisehoana ity, hatramin’izay nisiany: manasongadina ny sanganasan’ny mpanakanto na tarika iray, ampian’ireo mpanakanto namany notsoingaina manokana, mba hanome aina vao ireo hira efa malaza…
Mazava loatra fa vory tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ireo tena mpankafy Samoëla. Nanampy azy ireo voasariky ny tolotra, te hahita sy hihaino seho hafa. San­tionany fotsiny ny “Rahoviana ihany”, izay niarahan’i Tosy tamin’i Samoëla: ny iray anisan’ireo tovovavy manana feo tsiroa, ny iray nahay namorona hira mety amin’izay ma­moaka ilay fanahiny… Mbola voaporofo izany tamin’ny “i-Mody”, nataon’i Monika Njava! Hafa mihitsy ny fidonan’ny hira any am-parahatoka any, rehefa andrarezina, manana traikefa maro amin’ny mozika no manome aina vao azy, miaraka amin’ny tompony.
Miaraka amin’ny tompony… Mahafaoka be io, satria tsy toa ireo fampisehoana rodobe hanovana ny rindran’ireo hira ny “Che Bel Canto!”; fa tena fanomezana aina vao tsy miala amin’ny fototra. Raha ho an’ny fohy fitadidiana, mety izay vao nisy nanaingo valiha ireo vazo miteny. Ny azo antoka aloha izay, vao nisy ny feom-balihan’ i Vanintsoa, niaraka tamin’ilay feo miangola sy tsiky tsy lefy, mbola narahin’ny gitara –kabaosin’i Mirana. Toa feno r’Ikala Vazo, na dia mpanaraka an’i Samoëla kokoa eo amin’ny gitara beso aza i Manou.
Raha hiverenana hatrany amin’ny fotony, tsy andiam-pampisehoana manaraka lo­hahevitra, na fampiakarana mpanakanto maromaro hisintomana mpijery fotsiny ny “Che Bel Canto!”. Fanomezan-danja ny asa famoronana nataona mpanakanto na tarika iray, ary izay tena mahafeo ny fepetra amin’izany no nampiakarin’ny tompon-kevitra. Na­nom­boka azy i Tovo J’Hay ny taona 2003, avy eo Ny tarika Mahaleo, tarika Rebika, Olombelo Ricky, Njakatiana, Bodo sy Poopy, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: