Fanafihana tetsy Ankadifotsy : Vehivavy iray maty voatifitra

Notifirin’ny jiolahy, namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray teny Mandialaza Ankadifotsy, boriboritany fahatelo, ny alin’ny zoma hifoha ny marain’ny sabotsy 21 novambra teo.

Nidiran’ny jiolahy mitam-piadiana an-keriny tao amin’ny toeram-pivarotany, renim-pianakaviana iray namoy ny ainy rehefa voatifitry ny basy tetsy amin’ny fokontany Mandialaza Ankadi­fotsy, boriboritany fahatelo, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 21 novambra. «Mpivarotra ao amin’io toerana io ity ramatoa ity », hoy ny fanazavan’ny polisy miasa eny an-toerana. Naka aina ireo mpiasa tao amin’io toeram-pivarotana mofo io. Nandondona tao amin’ny varavarana ireo mpanao ratsy. Nihevitra ireo rehetra tao anatin’ny trano fa olona hividy mofo kanjo jiolahy. « Niditra tampoka tao aminy ny jiolahy mitam-piadiana izay miisa telo », hoy fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao anivon’ny polisim-pirenena. Nanambana basy avy hatrany izy ireo. Tsy afa-nietsika ny iray trano izay samy natahotra ny ainy. Nanery avy hatrany an’ilay vehivavy hanome ny vola rehetra tao aminy miampy ny firavaka ireo olon-dratsy. « Nitondra basy toy ny PA sy fusil à pompe » ireo mpanao ratsy, araka ny loharanom-baovao.

Azon’ny « caméra »

Nahazo izay nilainy, nirohotra nivoaka ny trano ireo jiolahy. Nanaraka an’ireo jiolahy mba hanidy ny varavarana ilay ra­matoa kanjo notifirin’ny iray tamin’izy ireo. Nidaraboka tamin’ny tany, tsy tana ny ain’ity renim-pianakaviana ity. Maty teo noho eo izy. Nanao tari-dositra nitsofoka tanaty elakelan-trano ireo mpandroba. Lasa avokoa ny vola rehetra niampy ny firavaka volamena an’ity tompon’ny toeram-pivarotana tetsy Ankadi­fotsy ity. «Hita ta­min’ny alalan’ny caméra ireo telo lahy nanatanteraka an’ity fanafihana miaro vonoan’olona ity », araka ny fanazavan’ny polisy. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny polisim-pirenena. Miroso amin’ ny fikarohana ny nahavanon-doza izy ireo ankehitriny. Man­dry tsy lavo loha ny ankamaroan’ny mponina manoloana ny tranga tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana.

Tsiferana R.

Partager sur: