Ny “Marie Rose” indray no nasehon’ny Tropy Jeannette an-tsehatra, omaly. Teatra klasika, anisan’ny mampiavaka an’ity tropy zokiny indrindra eto Madagasikara ity ihany koa izy. Nahafaly ireo mpanatrika ny niaina indray ny teatira, satria tafiditra indrindra anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-7 taonan’ny FMTM rahateo izany. Seho faharoa ity, fa mbola hisy ny desambra izao ao amin’ny Ivokolo Analakely, efitrano Charles Ravalison hatrany.
Hisy fihaonamben’ny mpankafy Lôlô sy ny tariny, ny desambra ho avy izao. Hotontosaina eny amin’ny Le Zozoro Andoharanofotsy izany, manomboka amin’ny ora maraina. Tsy haka endrika fampisehoana akory, fa tena fihaonana sy fiarahan’ireo mpankafy ny sanganasan’ny tarika. Mazava loatra anefa fa “hihodidina afo iray”, hifamezivezen’ny gitara sy ny feo izany. Mpankafy no mpikarakara ary mpankafy no hanatontosa. Irariana kosa ny ahatongavan’ireo mpikambana ao amin’ny Lolo sy ny tariny, na dia iray monja aza.
Hihazo ny faritra Menabe ny tropy Ramilison Besigara Zanany. Na avy eto anivon-tany aza, mivelatra sy misandrahaka manerana ny Nosy hatrany ivelany ny hiragasy. Hotsidihin’ny tarika Ramilison Besigara zanany daholo ireo tanana lehibe any Menabe, toy an’i Morondava, Belo Tsiribihina, Miandrivazo, Mahabo, Ankilizato, Malaimbandy, Ambatolahy, amin’ity volana novambra ity. Efa nahavita seho maro ny tropy nialoha izao.





