Lalana sy angovo: Miditra amin’ny dingana vaovao ny tetikasa Volobe Amont

Hiditra amin’ny dingana fanatanterahana amin’ny taona 2027 ny tetikasa famokarana herinaratra avy amin’ny rano Volobe Amont ao amin’ny faritra Atsinanana.

Hanomboka amin’ny fanamboarana lalana mirefy 45 km mampitohy an’i Fanandrahana sy ny toby famokarana ao Ambodi­la­zana izany. « Mandroso ny tetikasa Volobe Amont ary mizotra mankany amin’ny fanatanterahana ny asa izahay », hoy ny mpanolotsaina ambony misahana ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka eny ifotony, Leonard Veloson. Nambarany fa efa nisy ny fifanaovan-tsonia fifanarahana an-tsoratra tamin’ny volana septambra. Hanana velarana 10 metatra ny lalana. Fito metatra amin’izany no ho azon’ny fiara andehanana. Hasiana tara sy beton koa ny lalana. Hisy tetezana lehibe roa mirefy 150 sy 60 metatra. Hampiana tatatra lehibe izany.
« Hatao laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalana », hoy hatrany ny tompon’andraikitra any an-toerana. Efa misy sambo vaovao miantoka ny fampitaovana sy ny fifamoivoizana miampita ny reniranon’ Ivondro.

Mpiara-miombon’antoka
Mila tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2027 anefa ny famatsiam-bola. Nangataka izany tamin’ny filohan’ny Antenimierampirene­na, Randrianasoloniaiko Siteny, ny tale jeneralin’ny CGHV, Rémy Hubert. «Toko­ny ho tafiditra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola 2027 ny famatsiam-bola ny lalana », hoy izy.
Efa voafaritra ihany koa ny andraikitry ny mpiara-miombon’antoka. Ny faritra Atsina­nana no mitantana ny asa sy mikarakara ny fitaovana. Ny kaominina Fanandrahana kosa no mampiantrano ny mpiasa sy manofana ny tanora. Ny CGHV no miantoka ny solika, ny fitaovana ary ny fitaterana. Marihina fa olona maherin’ny 70 000 no hisitraka ny fotodrafitrasa. Hihatsara ny fivezivezena sy ny fahafahana manatona tsena, tobim-pahasalamana ary sekoly. Hisy koa ny asa mivantana sy ankolaka.

Henintsoa

Partager sur: