Niakatra fampanoavana ireo fito lahy mpikambana anatin’ny fikambanan-jiolahy « Moraga » ao amin’ny kaominina Toamasina ka notanana vonjimaika any am-ponja, ny zoma 19 novambra lasa teo. Malaza ratsy ny fisiana jiolahy mandroba sady mamono manodidina ny fokontany Tanambao Verrerie tao anatin’ny volana vitsy lasa. Lasibatra tamin’izany, ny mpitondra Tuc-tuc iray, ny ny alin’ny 17 mey lasa teo. Olona faharoa niharan’ny famonoana nataon’ireo tsy valahara ilay zazalahy 17 taona tsy lavitra ny Super U ao an-toerana, ny 25 jona lasa teo. Nanao ny angom-baovao rehetra ny mpitandro filaminana nahafahan’izy ireo misambotra ny nahavanon-doza. Tratra ny lehilahy miisa fito izay avy ao Morarano. Natao famotorana izy ireo ka niaiky heloka. Nilaza ho nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana ireo olona roa lasibatra ireo. Tompon’antoka tamin’ny fanendahana sy fandrobana mpianatra teny amin’ ny tetezan’i Verrerie koa izy ireo. Natolotra ny fampanoavana ka notanana vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy ireto farany. Mitohy ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny ny polisim-pirenena ao anatin’ny fitaleavam-paritra Atsinanana. Raha tsiahivina, olona roa hafa ankoatra an’ireo fito tratra ireo nalefa any am-ponja izay samy voasaringotra tamin’ny famonoana an’ilay mpitondra Tuc-tuc tao Toamasina.
Tsiferana R.





