TSELATRA

Nolavahan’ny olon-dratsy ny rindrina ka lasan’izy ireo ny omby lahy sahabo 3 taona tao Ambanian­drefana, kaominina Tanjombato, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 22 novambra teo. Nanara-dia ny tompon’omby lasibatra saingy tsy hita ny nandosiran’ireo mpanao ratsy.
Avotry ny polisy ny vehivavy nataon’ny dahalo takalonaina tao amin’ny Fokontany Antsalova Afovoany, kaominina Antsahalova, afakomaly. Nalain’ny dahalo roa lahy ity vehivavy ity, ny 19 novambra lasa teo. No­ratrain’ireo tsy valahara ka torana izy ary narian’izy ireo teny an-dalana. Nanara-dia ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ka nahita azy.
Kamiao roa nifandona teo amin’ny tetezan’i Manakazo, kaominina Ankazobe, PK125 anatin’ny RN4, afakomaly maraina. Potika ny lohan’ireo fiara tra-doza. Tsy nisy aina nafoy.
Jiolahy mpamaky trano naiditra vonjimaika any am-ponja, ny zoma 20 novambra teo taorian’ny nahatratrana azy tao Ambohitrakely fokontany Ambo­hi­pe­no, kaominina Ambohimanambola. Nitrangana fa­na­fihana mitam-piadiana teny amin’io tanàna io, ny alin’ny alarobia 18 novambra tamin’ny 3 ora maraina. Miisa dimy ireo nahavanon-doza.

Partager sur: