Toastmasters : Klioba fito hanamafy ny fahaiza-mitarika

Manana klioba miisa fito eto Madagasikara ny tambajotra iraisam-pirenena Toast­mas­ters. Tanjona ny hanatsara ny fahaiza-miteny ampahibemaso, ny fifandraisana ary ny fahaiza-mitarika ny fiofanana atolony. Miparitaka amina firenena manodidina ny 150 maneran-tany ny tambajotra Toastmasters. Ankehitriny, mivelatra amin’ny fahaiza-mitarika sy ny fifandraisana ny fiofanana ataony. “Misy klioba miisa fito eto Madagasikara ka ny roa amin’izany no amina orinasa roa lehibe eto an-toerana. Misokatra ho an’ny re­hetra ny tambajotra ka amin’ny teny frantsay sy anglisy avokoa ny atrikasa atao”, raha ny fanazavan’ny Tsitoara Thierry Serge. Mifototra amin’ ny fianarana sy ny fandrosoana miandalana ny fomba fiasa. Samy mandroso araka ny hafainganam-pandehany ny mpikambana tsirairay. Afaka mahavita dingana iray ao anatin’ny enim-bolana ka hatramin’ny herintaona ny olona izay manaraka tsy tapaka ny fiofanana. Mety haharitra hatramin’ny telo taona kosa izany ho an’ireo manapatapaka na koa manemotra lava ny dingana tokony harahiny.

Sehatra

Mivelatra amina sehatra marolafy ny tombontsoan’ny fahaiza-miteny sy mitarika. Ilaina eo amin’ny fifandraisana andavanandro, mifandray amin’ny ankohonana na ma­neho hevitra any amin’ny toeram-piasana sy ny fiaraha-monina. Marihina fa fahaiza-manao manampy ny olona hanatratra ny tanjony, araka izany, ny fahaizana maneho hevitra mazava sy mandresy lahatra.

Henintsoa

Partager sur: