Nankasitrahina noho ny asa kanto ataony ny vondron’ny Tily mpikirakira saripika, anatin’ny fikambanana Mi’Tily Sary entina mampiaina ireo hetsika fanabeazana skoto. Nosalorana ny mariboninahitry ny kanto, ny teny ary ny kolontsaina, ireo Tily mpikirakira ny saripika, ahitana ireo efa matihanina, tetsy amin’ny Cité des Cultures, omaly. Anisan’ireny ry Francky Dovan sy Lovanirina Andriantsoavina, izay nahazo ny laharam-boninahitra « Officier de l’ordre des arts, les lettres et de la culture ». Nomena ny « Chevalier de l’ordres des arts, des lettres et de la culture » kosa ny mpikambana 7 hafa.
Notoloran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina fankasitrahana noho ny asa kanto ataony ny vondron’ny Tily entina mampiaina ireo hetsika fanabeazana skoto ataon’ny Tily eto Madagasikara.
Ity hetsika natao tetsy amin’ny Cité de la Culture Antaninarenina ity dia mbola tafiditra anatin’ny fotoan-pankalazana ny faha-90 taona niorenan’ny Tily eto Madagasikara.
Zo ny Aina





