Madagaslam Festival 2026 : Hampitambatra kanto maro ny « Feo sy soratra »

« Rehefa lafihina mozika ny fitafy, dia mandihy ny teny ». Endrika iray namintinana ny seho endrik’ilay hetsika lehibe « Madagaslam Festival 2026 ». Hampitambatra zavakanto maro ity « Feo sy soratra » ity. Fampisehoana an-tsehatra hotontosaina ao amin’ny IKM Antsahavola, ny 28 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « Mozika iray, fitafy iray, feo iray ». Mahita ny maso, mandre ny sofina, mifaly ny saina amam-panahy, satria, hitambatra eny an-toerana amin’io fotoana io ny mozika velona, slam sy antsa tononkalo, fampisehoana lamaody « fitafy malagasy », sns. Hiarahana amin’i Ida Rakotomanga, mpanao lamaody sy mpampiakanjo, Zia Rakotoarisoa mpitendry valiha sy zavamaneno hafa, ireo poeta sy mpanoratra toa an-dry Zara Ainga, Ikala Kely, Idealy, Nirihaja, Tata An’Ala, Diamondra.
… Mbola vitsy ihany ny hetsika tokana, kanefa, mampitambatra zavakanto maro tahaka izao. Nomena laka ihany koa ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Ankoatra ireo, mandritra ity hetsika « Feo sy soratra » ity no hanehoan’ireo mpanakanto (mpanao lamaody, mpitendry zavamaneno, mpiantsa…) ireo vokatry ny fikarohana sy famoronana isan-karazany. Ny hetsika tahaka izao no ahafantarana fa manana mpanakanto samihafa taranja afaka miara-miasa tsara ny Malagasy sy i Madagasikara.
Fantatra fa maimaimpoana ny « Seho sy soratra ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: