Vehivavy 15 ka hatramin’ny 49 taona : Niharan’ny herisetra ny 21,4%

21, 4% ny tahan’ny vehi­vavy 15 ka hatramin’ny 49 taona manambady na olon-tiana niharan’ny herisetra ara-tsaina, ara-nofo na ara-pananahana nataon’ny vadiny na ny olon-tiany, tao anatin’ny
12 volana farany, araka ny vokatry ny dinidinika momba ny toe-piainan’ny mponina MICS 2025. Mahatratra 0,2% kosa ny tahan’ny vehivavy 15 ka hatramin’ny 49 taona niharan’ny herisetra ara-pananahana nataon’ny olona sady tsy vadiny no tsy olon-tiany nialoha ny fanadihadiana, tao anatin’io fe-potoana io ihany. 38% kosa ny tahan’ny vehivavy 15- 49 taona efa niharan’ny herisetra ara-nofo sy ara-pananahana, araka ny vokatry ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ ny mponina MICS 2018.
Anisan’ny fotoana manamarika ny fanombohan’ny 16 andro (25 novambra ka hatramin’ny 10 desambra) iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG) ny hetsika Stop VBG ho an’ny taona 2026, any Toliara. Miara-mikarakara iza­ny ny South Slam Community sy ny oniversiten’i Toliara. Ireo mpiangaly ny slam avy amin’ ny faritany enina no mifamotoana any an-toerana, satria nivelatra kokoa ny sehatra. Hiaka-tsehatra izy ireo hire­saka momba ny herisetra sy hikitika ny feon’ny fieritrere­tan’ny tsirairay hisian’ny rariny.
Santarina amin’ny Andro iraisam-pirenena hanafoa­nana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, ny 25 no­vambra izany ary mifarana ny 10 desambra, natokana ho Andro ho an’ny zon’olombe­lona. « Hiaraka hampitsahatra ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny zatovovavy ny rehetra » no lohahevitra amin’ ity taona ity.

Vonjy

Partager sur: