Fiaraha-mientan’ny tanora sy ny maha olom-pirenena. Mpisehatra manodidina ny 50 eo amin’ny sehatry ny tanora no nihaona ny talata teo, tao amin’ny QG Tanora Ankorondrano. Tanjona ny hanamafy ny fandraisana anjaran’ny tanora eo amin’ny fiarahamonina.
Mpisehatra manodidina ny 50, avy amin’ny andrimpanjakana, fikambanana sivily ary mpiara-miombon’antoka no nihaona tetsy amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny talata teo. Hetsika tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tanora 2, tanterahin’ ny fikambanana Sœur Emmanuelle (Asmae) sy ny mpiara-miombon’antoka Hafa, Gazela, Graines de Bitume ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Natao hampifandray ireo rafitra samihafa ny fihaonana. Tanjona ny hahafantaran’ireo mpisehatra ny hetsika efa misy, hampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny tanora amin’ny fiarahamonina, ny sehatra iasan’ izy ireo ary ny filany. Kendrena ny hametraka rafi-piaraha-miasa sy hetsika iombonana, hahafahana manamafy ny fandraisan’izy ireo anjara. « Adidy lehibe ho an’ny tanora ny manentana ny mpiara-belona. Asa an-tsitrapo izany, tsy tokony hiandrasana tambiny », hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Brice Hariliva Gaspard. Notsindriny fa anisan’ny maneho ny maha olom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ny fanadiovana faobe. Tokony handray andraikitra amin’ny fanatsarana ny tontolo manodidina azy ny tanora.
Vokatra andrasana
Hitsangana aorian’ny fihaonana ny lisitry ny mpisehatra, sarintany mampiseho ny toerana sy ny sehatra iasan’ izy ireo ary tetiandro iombonana ho an’ny taona 2027. Kasaina ihany koa ny hametrahana vondrona Whatsapp hahafahan’ireo mpandray anjara mifanakalo hevitra.
« Zava-dehibe ny fanohanana ireo tanora manana vina. « Tianay hanana mpiara-miombon’ antoka ireo tanora, hanatanterahiny ny asa sy vina ho an’ny fiarahamonina », hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa Tanora ao amin’ny Asmae Madagascar, Tokiko Brown Bernard. Marihina fa mamatsy vola ny tetikasa ny Agence française de Développement (AFD).
Henintsoa





