Ambohimanarina : Mpanendaka tratra nitondra antsibe

Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny CSP6, tamin’ny 2 ora maraina, lehilahy mpanao asa ratsy tratra teny Ambohi­manarina, afakomaly. Mano­loana ny tranga tsy fandriampahalemana izay mampitaraina ny mponina eto Antanana­rivo Renivohitra, manao ny asa fisafoana amin’ny alina ny ekipan’ny polisy eny amin’ny boriborintany iadidian’izy ireo. Nandalo tamin’ny faritry ny fokontany eny Antanety Atsi­mo ny polisy kanjo nifanehatra tampoka tamin’ny olon-dratsy. Nikoropaka sady nandrangaranga ny antsibe teny aminy ity farany. Nisambotra avy hatrany ny polisy. Tsy afa-nanda intsony ity mpanendaka ity nanoloana ny fampitandremana nataon’ny mpitandro filaminana taminy. Ankoatr’io, lehilahy iray hafa voasambotra teny Ankorondrano, ny harivan’ny alarobia 25 novambra teo. Mody nanaraka olona niditra tao anatin’ny taxi-be 163 ity mpanao ratsy ity. Sarona tamin’ny fihetsiny izy. Nentina natao fanadihadiana. Notanan’ny polisy miasa eo anivon’ny CSP5 kosa ny lehilahy iray mpanao sinto-mahery. Nalainy an-keriny ny finday teny amin’ny vehivavy nitaingina bisikileta. Voasambotra tsy lavitra ny toerana nanaovany ny asa ratsiny ity farany.

Tsiferana R.

Partager sur: