Roa lahy niditra tao amin’ny trano fonenan’ny ankohonan’ny ramatoa iray monina ao Ampanasandamba, kaominina Betrandraka, distrikan’i Tsaratanàna, ny marain’ny alarobia tamin’ny 1 ora. Niditra an-keriny ireo mpamono olona. Tsy nikaroka olon-kafa ankoatra io renim-pianakaviana io izy ireo. Nampihatra herisetra ary nandratra azy tamin’ny alalan’ny zava-maranitra. Hamono sy hanampitra tanteraka ny ain’ilay renim-pianakaviana varira no tanjon’ireo olon-dratsy. Niantso vonjy tamin’ny zanany vavy ny lasibatra. Nikoropaka nivoaka ny trano tao anatin’ny haizina ireo roa lahy. Naratra mafy vokatry ny herisetra nahazo azy ilay ramatoa izay manodidina ny 45 taona. Nentina notsaboina any an-toerana izy. Manoloana ny fahasarotan’ny fahasalamany, niditra an-tsehatra nandray an-tanana ny fitsaboana azy ny fitondram-panjakana. Nandefa angidimby manokana nampiakarana azy eto an-dRenivohitra mba hisitraka ny fitsaboana sahaza azy. Tsiahivina fa tovovavy 15 taona manana toe-tena varira hita faty tapa-doha tao amin’ny fokontany Menakaravavy, kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy, ny 5 novambra lasa teo. 20 ireo olona manana io toe-tena io lasibatra tao anatin’ny taona ka namoy ny ainy avokoa ny 17 tamin’izy ireo, araka ny fanambaran’ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara.
Tsiferana R.





