Baolina kitra – «Pureplay Football League»: Vaky ny ady eo amin’ireo filohan’ny klioba sy ny FMF

Miseholany indray ny disadisa eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra, amin’izao fotoana izao. Noraisin’ny Federasiona malagasy ny fitantanana ny fifaninanam-pirenena. Tsy manaiky izany ireo filohan’ny klioba mandrafitra ny Club de foot-ball élite Madagascar (CFEM).

Andro vitsy mialoha ny hanombohan’ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra na ny Pureplay football league (PFL), vaky ny ady eo amin’ny federasiona (FMF) sy ireo filohan’ny klioba. Tsy mitovy ny hevitra
amin’ny fomba hitantanana ny fifaninanana. Manoloana iza­ny, nampiantso ny mpanao gazety tetsy Ampasama­dinika, omaly, ireo mpitantana ny klioba nahitana ny FC Rouge, Disciples FC, Cospn, CFFA, Cosfa, Ajesaia ary ny Ste Anne. Nandefa fialantsiny ny FC Zanatany sy ny Fosa JR. Nitondra ny tenin’izy ireo Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta), mpitantana ny CFFA, fa mandany vola amin’ireo ekipa sy ny mpilalao izy ireo ka saro-piaro amin’ny fomba hitantanana ny fifaninanana, mba hahitana vokatra. Tsy mety ary tsy eken’izy ireo ny handraisan’ireo komity mpitantana eo anivon’ny federasiona ny fifaninanana, ho an’ny taom-pilalaovana 2027. Tsiahivina fa efa namoaka daty ny federasiona fa hanomboka ny 13 desambra izao
ny fifaninanam-pirenena ary nam­pitomboina ho 24 ireo ekipa hiady ny lohany. “Mi­verin-dalana izany aminay ary kitoatoa tanteraka ka tsy azo ekena”, hoy i Tôta. Araka izany, nanapa-kevitra ireo filohan’ny klioba fa hampiantso ireo mpisehatra rehetra, toa ny teknisianina sy mpilalao ary mpanazatra sy mpankafy, handinihina ny fomba hitondrana ny fifaninanana. Hotan­terahina etsy amin’ny efitrano Kianja Barea Mahamasina izany, ny sabotsy 28 novambra izao. Manahy ireo mpitantana ekipa ireo fa sao misy kajikajy amin’ny fifidianana ho avy ny anton’izao fangalan’ny komity eo anivon’ny federasiona ny Pureplay football league (PFL) izao.

Tompondaka

Partager sur: