Notontosaina omaly, tao amin’ny Gymnase Couvert de Phoenix, Nosy Maurice, ny fivoriambe ara-potoana sy fifidianana izay ho biraon’ny fikambanan’ny taranja handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina, AHBOI. Voafidy ho sekretera jeneraly, tamin’izany, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny handball, Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa. Mbola voafidy hitantana izany fanintelony indray i Hairoudine Anzizi, filohan’ny Federasiona ao Mayotte. Tsiahivina fa mizotra sy mandeha any an-toerana, ankehitriny, ny fifaninanan’ireo klioba aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CCOI). Manana solontena amin’izany i Madagasikara dia ny Littoral SC, ho an’ny lehilahy, ny THBC sy ny My-Sah kosa ny an’ny vehivavy.
F.R
Ireo mpikambana AHBOI
Filoha: Hairoudine Anzizi (Mayotte).
Filoha lefitra: Norbert Dogley (Seychelles).
Sekretera jeneraly: Andriamanga Ratsimandao (Malagasy).
Mpitantana ara-bola: Astride Niobe (La Réunion).
Mpikambana : Emmanuel Joasa (Malagasy), Salim Moustoifa (Comores), Elhadi Halifa (Comores), Claude Lacaille (Réunion), Rose Sinon (Seychelles), Nidalle Maoulana (Mayotte), Philippe Boudou (Maurice), Dorine Isabelle (Maurice).





