Madagaslam Festival 2026, omen-danja ny fifanakalozana. Rahampitso, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny Alliance Française Antananarivo, eny Andavamamba, hiroso ao anatin’ny adihevitra ity hetsika iraisam-pirenena lehibe ity. Lohahevitra amin’izany ny « Asa sarotra ny asa soratra ». Dinika sy fifanakalozana ahitana an’i Indiamahery sy Neyk ary i Mitsinjo. Hitarika sy handrindra kosa i Mandimby.
Hatramin’izao, mbola mitsingevana hatrany ny fahalalana. Tsara ny finiavana hiverina eny an-doharano na ny hiverina any amin’ny fototra… Saingy, mbola tsikaritra ilay tsy fahampian’ny fahalalana. Mbola tazana ilay teren-ko masaka toa voalobo-jaza. Mbola miharihary be ilay toe-tsaina tia manao fampitahana amin’ny an’ny hafa, sns. Tsy ho tafapetraka mihitsy ny maha izy ny an’ny tena raha mbola ireny no omena vahana.
Mbola maro ireo mangetaheta fa tsy ampy ny fahefa-mividy. Mety ho sakana amin’ny fitiliana sy fivelaran’ny talenta ny tsy fahampian’ny vola? Maro ireo tanora no te hianatra zavamaneno. Te hahay mihira. Te hianatra sary hosodoko, sns. Kanefa, mijanona ho nofy ihany izany. Mety azo zaraina maimaimpoana ve ny fahalalana? Raha eny, omen’ny Malagasy hasina sy lanja ve izy amin’izay fotoana izay?





