Zo Sitrakiniavo : Folo taona nilomanosana tamin’ny tantara foronina

Fanoratana tononkalo no tena nahafantarana an’i Zo Sitrakiniavo ary mpikambana ao amin’ny Faribolana San­dratra. Ny taona 2005 tany ho any no nampifoha ny talentany fa taty amin’ny 2016 izy no nilona bebekokoa amin’ny fanoratana tantara foronina. Izany hoe, folo taona izao no tena nilomanosany tamin’ny tantara foronina. Efa nisy moa ny tantara foronina nivoaka an-gazety isan’andro nosoratan’i Zo Sitrakiniavo. Mpia­sam-panjakana ambony izy ankoatra ny maha mpanoratra azy. Tsiahivina fa azon’i Zo Sitrakiniavo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana Tantara foronina, nokarakarain’ny Zanatsehatra malagasy, amin’ ny Fankalazana ny faha-100 taonan’ny profesora Siméon Rajaona Régis. Ny tantara foronina mitondra ny lohateny “Faraingososona” no nentiny nandray anjara, nahazoany izany … Efa nahazo ny loka faharoa ihany koa ny tenany ny taona 2024, tamin’ny fifaninanana Tantara foronina nokarakarain’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. “Tsy mpihaza amboara ny tenako fa manararaotra kosa ny sehatra ahafahana maneho ny talenta sy manandratra ny literatiora malagasy… Amin’ny maha mpanoratra ahy”, hoy i Zo Sitrakiniavo. Talohan’ny naha mpanoratra azy dia efa nisehatra tamin’ny mozika Rap izy.

Mi.Raz

Partager sur: