Noraisin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) an-tanana ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football Ligue (PFL) ». Tsy nihemotra ry zareo ary novaina ny fenitra ho an’ireo mpandray anjara.
Namoaka fanambarana tao anaty tambajotran-tseraserany ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, fa horaisin’izy ireo an-tanana ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football Ligue (PFL)”. Nisongadina tao anatin’izany fanambarana izany ihany koa fa hotolorana lelavola 200 tapitrisa ariary ny ekipa mpandresy amin’izany fifaninanana nasionaly izany, raha toa ka 20 tapitrisa Ariary ny an’ny klioba izay voalohany farany teo.
Tsy izany ihany fa nidina ho 2 tapitrisa Ariary ny saran’ny fandraisana anjara, nefa 5 tapitrisa Ariary izany teo aloha teo. Mbola hanampy ny klioba tompondaka hiatrika ny fifanintsanana afrikanina ihany koa ny Federasiona. Ankoatra izay, hakarina ihany koa ny tambin-karaman’ireo mpitsara amin’izany.
Mbola manamafy hatrany ny rafitra federaly fa nakarina ho 24 isa ireo ekipa mpandray anjara. Mitsinjara anaty vondrona efatra izy ireo. Miantso ireo klioba hanatrika ny fivoriana izay hatao anio etsy Isoraka, araka izany, ny eo anivon’ny FMF.
Tsy nilefitra …
Tsy nampilefitra ny Federasiona FMF, araka izany, ny antso nataon’ny CFEM, izay manamafy fa tsy tokony nasorina tamin’izy ireo ny fitantanana an’io fifaninanam-pirenena io, noho ny vokatra tsara azon’izy ireo. Notsiahivin’ny CFEM hatrany fa ny vokatra tsara azon’ny Barea, nandritra ny Chan 2023 sy ny 2025 dia niainga tamin’ny “Pro Ligue”. Ny CFEM moa miantso ny rehetra ho avy etsy Mahamasina, anio, hidinika sy hivory amin’ny fanatsarana ny baolina kitra malagasy.
Fitia Randria





