Notokanana omaly ny EPP Ampanonoma Vatomasina, ao amin’ny kaominina Vohipeno, faritra Fiovinany. Natao hahazaka rivodoza izay matetika mamely ny faritra Vatovavy ny efitranon-tsekoly namboarina. Ahitana efitrano fianarana miisa 7. Misy vovondrano ahazoana rano maharitra sy jiro mandeha amin’ny angovo azo havaoizina ihany koa ny sekoly. Etsy andaniny ny toeram-pivoahana sy fidiovana hitsinjovana ny fahadiovan’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Ankoatra ireo ny toeram-pisakafoan’ny mpianatra an-tsekoly, izay miantoka ny famahanana ireo mpianatra mba hifantoka amin’ny fianarana.
Tamin’ny alalan’ny Fondation Axian, miaraka amin’ny fandaharanasa Sekoly Telma sy ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Fizanakara, no nahafahana nanao ny fotodrafitrasa.
Ankizy manodidina ny 500 no hisitraka ny sekoly maoderina. Misahana ny fandraisana an-tanana ny mpianatra ao amin’ny EPP ny fikambanana Fizanakara amin’ny fizarana ireo fitaovam-pianarana tena ilain’ny mpianatra.
Efa miisa 7 ny EPP namboarin’ny Fondation Axian tamin’ny fandaharanasa Sekoly Telma tany amin’ny faritra Fitovinany.
Ny Sekoly Telma izay nahavita nampiditra mpianatra miisa 31 000 an-dakilasy amin’ireo sekoly ambaratonga voalohany fototra 187 manerana ny Nosy.
Tatiana A




