“Poesam 2024”: lasan’ny Kante company ny laharana voalohany

200 ny tetikasa nandray anjara tamin’ny fifaninanana nasionaly iarahana amin’ny Orange Madagascar.Valo tamin’ireo, niatrika ny famaranana manoloana ny mpitsara. Natolotra omaly ny loka ho an’ny mpandresy.

Kante Company, tetikasa natolotr’Andriamitasoa Roussel Célestin, no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny « Prix Orange de l’entrepreneur social en Afrique et Moyen-Orient (Poesam 2024). Vovonana niomerika ho an’ny mpianatra mikirakira ny informatika manokana ny tetikasa. Sady afaka mianatra no miasa ilay mpianatra manomboka amin’ny taona faharoan’ny fianarany, ambaratonga ambony, vokatry ny fisian’ity vovonana Kante company ity. Manamafy ny lafiny teknika rehetra tokony hofehezin’ny mpianatra sy ny fomba firesahana amin’ny olona samy olona ny vovonana niomerika. Tanjona ny hanampiana ireo mpianatra informatika satria eto amintsika tsy mifanaraka ny tolotra eo amin’ny fianarana sy ny filana amin’ny asa niomerika ary ny teknolojia vaovao. Tsy mamaly ny filana atolotry ny tsenan’ny asa ny fahaizan’ny mpianatra nahavita fianarana ka manitsy ny lesoka ity vovonana niomerika ity. Mitady mpiasa betsaka hatrany ny tsenan’ny niomerika ka hiezaka hitondra vahaolana ny tetikasa.
Raha misy mpianatra 100 nahavita fianarana, nahazo ny mari-pahaizana amin’ny informatika, 50 amin’ireo ihany no miasa ary matetika ambany noho ny tokony ho izy ny karamany nefa miasa mafy tsy araka ny fifanarahana arakasa izy ireo. 10 000 000 Ariary sy abonnement internet ary tohana teknika mandritra ny fanatanterahana ny tetikasa no loka azony.
Nandrombaka ny laharana faharoa ny tetikasa Brai, novolavolain’i Andréa Valéria Andriantefiarinesy. Namokatra fitaovana ahafahan’ny olona jamba mamaky tahirin-kevitra mivadika ho amin’ny braille izy. Matetika ny tahirin-kevitra misy dia mbola natokana ho an’ny olona tsy manana olana amin’ny fahitana ka fivoarana ny tetikasa Brai.

Vonjy

Partager sur: