Foire et Festival Analamanga: hanomezana sehatra ny mpanao asa tanana

Nanomboka omaly, haharitra 3 andro ny Foire et Festival Analamanga, andiany faharoa, karakarain’ny Faritra Analamanga, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Anjatony ireo tranoheva mi­tondra ny vokatra malagasy ao an-toerana. “Fanandratana ny vita malagasy, ny taozavatra ary ny fambolena sy fiompiana ny hetsika”, hoy ny governoran’Analamanga, Raso­a­ma­romaka Hery. Fano­mezana sehatra ireo mpanao asa tanana sy mpamokatra ny akora fototra ihany koa ny fotoana toy izao, mba hananan’izy ireo sehatra ambony, hahafahany mivelatra ara-barotra.
“Azo atao ny manampy ireo tantsaha sy mpanao asa tanana madinika hivoatra amin’ny alalan’ny fampitaovana tsotra tsy dia ilana volabe kanefa hanana ainga vao amin’ny fanitarana ny asa”, hoy hatrany ny governora.
Tetsy andaniny, nilaza ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahiana, fa “manome lanja ny vokatra vita malagasy ny faritra Analamanga. Tafiditra ao anatin’ny Politikam-panjakana ny fanomezana sehatra toy izao. Tokony ho efa miditra amin’ny resaka fanodinana ara-indostrialy amin’izay. Manana ny akora fototra isika eto Madagasikara ary efa misy ny politikam-panjakana mametraka izany”.
Mitohy anio ny hetsika ary hisy ny Diabe mitanjozotra hiainga eo amin’ny Gare Soarano, hamakivaky ny Araben’ny fahaleovantena ary hihazo an’i Ma­ha­masina. Hotapaka, arka izany, ny lalana amin’ireo toerana voalaza ireo mandritra ny Carnaval.

Tatiana A

Partager sur: