Distrikan’Antanimora Atsimo : nitondrana fanampiana ny traboina

Olona an-jatony, anaty fianakaviana maro, no traboina vokatry ny haintrano tao amin’ ny kaominina Imanombo, distrikan’Antanimora Atsimo, faritra Androy, ny herinandro teo. Namangy ireo traboina ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, ny faran’ ny herinandro ary nanao ny voinkava-mahatratra, nitondra fanampiana, hanarenana ny fahavoazana vonjimaika.
Tsiahivina fa vokatry ny disadisa nisy teo amin’ny foko Antanosy sy Antandroy izay to­n­ga hatramin’ny fifanafihana sy famonoana olona ary fandorana tanàna no nahatonga ny loza, ka naharavàn’ny afo ny tanànan’Anditsakabo, fokon­tany Andemby I. Biby fiompy, omby aman’osy ary ondry an-jatony maro no lasan’ireo mpanafika ny tanàna. Nisy ny aina nafoy nandritra ny fifanafihana ary hotohoton’ny afo ny trano sy ny fananan’ny mponina tao an-toerana.
An-jatony ny zaza, 82 ny vehivavy ary 72 ny lehilahy no traboina tanteraka tsy manan-kialofana.
Notolorana fanampiana ara-tsakafo sy ara-pitaovana sady nentanina hamitrana ny fihavanana amin’ny maha samy Malagasy ireo foko roa mifampiantsy ireo.
Nentanina ihany koa ireo ray aman-dreny hampidirana ny zanany any an-tsekoly hialana amin’ny herisetra sy fifandrafiana ka miteraka ny ady eo amin’ny fiarahamonina toy izao.

Tatiana A

Partager sur: