Nanampy ireo ray aman-dreny ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena momba ny tsy maintsy handraisana ny ankizy vonona hianatra nefa tsy manana ny hoenti-manana amin’ny latsakemboky ny Fram takin’ny sekoly. Am-polony isaky ny EPP eto an-dRenivohitra ireo ankizy manaraka fampianarana maimaimpoana any an-dakilasy rehefa nahafantatra ny fepetra vaovao naroson’ny fanjakana. Mazoto mampiana-janaka rahateo ny eto Antananarivo sy ny manodidina ka mahatratra 90-100% ny tahan’ny fampidirana ankizy an-tsekoly. Nanome kahie koa ny fanjakana hanamaivanana ny vola mivoaka amin’ny ray aman-dreny tamin’ity taom-pianarana ity.
« Momba ny fanefana ny latsakemboka hanakaramana ny mpampianatra Fram, tsy mbola misitraka izany amin’ny fanjakana, nahatsapa ny adidiny avokoa ny ray aman-dreny ka nahaloa ny sorabola ny ankamaroany », hoy ny talen’ny EPP nanontaniana. Efa tapaka nialoha ny fidirana ho an’ny taom-pianarana vaovao rahateo ny lamina ka tsy nisy olana manokana na teo aza ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena momba ny vola azo takina amin’ny ray aman-dreny.
Vonjy