Fanaovam-baksiny faobe : Ezahina ho 95% ny zaza hisitraka

Hanomboka ny volana oktobra izao ny hetsika fanaovam-baksiny faobe manaraka eto Madagasikara. Atao mandritra izany ny vaksiny fanefitry ny kitrotro miaraka amin’ny fanefitry ny lefakozatra (polio) ary ny fanatrarana ireo ankizy latsaky ny dimy taona rehetra izay mbola tsy nahavita vaksiny hatramin’ny farany. Eza­hina ho vita, amin’izany, ny 95% amin’ny zaza 9 volana hatramin’ny 5 taona. Hane­rana ny faritra 24, disitrika 114, io hetsika ara-pahasalamana io. Tsy hanavahana iza­ny, indrindra ho an’ireo zaza latsaky ny dimy taona, raisina an-tanandroa ihany koa ireo vehivavy bevohoka, raha ny fanazavana voaray. Atao eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy sy ireo tobim-pahasalamana tsy miankina miara-miasa amin’ ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka ny hetsika.

Fisorohana amin’ny aretina
Maro ny tombontsoa azo amin’ny fanaovana vak­siny. Voaaro amin’ny alalan’izany vaksiny izany ny aretina manodidina ny 11. Manamafy ny hery fiarovana ihany koa ny fanaovana azy. Fomba ma­homby indrindra hiarovana ny zaza amin’ny aretina mety hahafaty izy io. Mampihena ny tahan’ny tsy fahasalamana sy ny taham-pahafatesana noho ny aretina azo sorohana ihany koa. Entanina ny ray aman-dreny manana zanaka latsaky ny dimy taona hanatona tobim-pahasalamana hamita ireo vaksiny.

Mino

Partager sur: