Tsimbazaza: Polisy iray nahafaty renim-pianakaviana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tetsy Morarano, ny zoma lasa teo. Tra-doza tamin’izany ny renim-pianakaviana iray, 48 taona sy ny zanany raha izy mianaka niaraka handeha hiantsena iny. Voafaokana moto noentina polisy io vehivavy io ka naratra mafy, hoy ny loharanom-baovao iray. Nohamafisiny tamin’izany fa miasa eny Tsaralalana ilay voalaza ho nahavanon-doza. Nandritra izany, naratra mafy ny lohan’ilay tra-doza, nivoaka ra ny orony sy ny sofiny raha ny fanazavana voaray ihany. Tsy naninona kosa ilay zanany, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Taorian’io, noentina vonjimaika teny amin’ny  HJRA izy ka naiditra tao amin’ny sampana vonjy aina. Nanao ny ezaka rehetra ireo mpitsabo nandray azy saingy tsy tana ny ain’ilay ramatoa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola nahazoana tatitra mahakasika izany ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

Henintsoa Hani

Partager sur: