Niampy ny tetikasa entina hanatsarana ny fahasalaman’ny mponina sy ny fanabeazana ho olom-pirenena eto Antananarivo Renivohitra. Haharitra 10 taona ny tetikasa iarahana amin’ny koreanina tatsimo.
Hanampy amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny kilonga eny amin’ ny EPP anatin’ny boriborintany telo eto an-dRenivohitra ny ONG koreanina Korea food for the hungry international (KFHI). “Haharitra roa taona ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny kaominina fa herintaona kosa no hanombohana izany amin’ireo EPP ireo”, hoy ny filohan’ny delegasiona manokan’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanàna. Mpianatra ao amin’ny EPP anatin’ny boriborintany I, II sy V no hisitraka fizaham-pahasalamana, fitsaboana nify maimaimpoana miaraka amin’ny ONG KFHI.
Hojerena manokana koa ny fotodrafitrasa amin’ny EPP tena sahirana ka mila fanavaozana. Mitentina 100 000 dolara ny sorabola hampiasaina amin’ny fahasalamana sy ny fanabeazana, indrindra koa ny fitsinjovana anatin’ny voina ireo ankizy sahirana. Haharitra 10 taona ny tetikasa Child focused community transformation misy ny fahasalamana sy ny fanabeazana.
Mangarahara ny fitantanana
Hampiasana amin’ny fomba mangarahara ny fanampiana hipaka amin’ireo tena mila azy, hoy ny fanazavany. Hanatsara ny fiainan’ny mponina eto an-dRenivohitra no tanjona.
Niasa teto Madagasikara nanomboka ny taona 2009 ny ONG manohana ara-tsakafo ny mponina sy ny mpianatra eny Ambohibao. Manao tantsoroka ho an’ny olona manana olana ara-tsakafo noho ny haintany any Atsimo koa izy ireo, hoy ny nambaran’ny tale jeneralin’ny ONG, Park Ji Eun.
Natao sonia teny amin’ny Lapan’ny Tanàna ny fandraiketana an-tsoratra ny fifanohanana eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny ONG ary nofaritana sahady ny laminasa rehetra hatao ho an’ny taona voalohany.
Vonjy