Fitantanana ny fako : hakaton’ny fanjakana Andralanitra

Manomana ny fanakatonana ny toerana fanatobiana fako eny Andralanitra ny fanjakana sy ny kaominina Antananarivo, amin’izao fotoana izao. Hisy tetikasa lehibe hotanterahina eo amin’io toerana io, izay hiarahana amin’ny mpiray ombon’antoka. Efa tratra ny fetra azo handraisana fako eny Andralanitra ka tonga ny fotoana hanakatonana azy tanteraka, hoy ny PDS-n’ny Tanàna, omaly, teny Andralanitra, nandritra ny fitsidihana natao niaraka amin’ny ekipa sy ny Jica. Mila mametraka paikady mahomby handrindrana ny fako ny mpitantana ary efa hita taratra ny ezaka vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Jica amin’izao fotoana izao. Misy ny fametrahana fantsona any anatiny sy ety ivelan’ny fako mivangongo hisorohana ny firehetan’ny fako sy hampiditra rivotra. Ny Jica no manohana amin’ ny fahaizana teknika sy ny fampianarana ny mpiasan’ny SMA amin’ny fikirakirana rehetra. Mpiray ombon’antoka koa ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary fidiovana.
Na maivana aza ny enti-manana, efa misy fivoarana ny fandrindrana ny fako noho ny fisian’ny mpiray ombon’antoka.

Vonjy

Partager sur: