Nidinika ny fomba enti-manodina haingana ny ivontoerana fanarenana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana (CRNM) ao Amboasary Atsimo ny tomponandraikitra notarihin’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie.
Natao ho fiahiana ny mpiara-belona manodidina indrindra rehefa fotoan’ny haintany sy ireo karazana loza na tandindon-doza mety hitranga ny fotodrafitrasa. Natao handraisana sy hikarakarana ireo olona tena marefo ara-pivelomana sy ireo ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa ny toerana.
Tetsy andaniny, nanatanteraka ny tetikasa “Zara Mira” sy ny fampivoarana ny maha olona ao Tsivory ihany koa ireo tomponandraikitra. Tetikasa natao hanome vahaolana ireo tokantrano marefo ara-pivelomana amin’ny alalan’ny fanomezana tohana ara-bola mba hahaleo tena tanteraka ka afaka mihary ho an’ny ankohonany ny tetikasa.
Manodidina ny 5000 ireo fianakaviana marefo no misitraka ny fandoavam-bola fahafolo tao amin’ny Kaominina Tsivory. Ny tetikasa «Zara Mira» dia tetikasan’ny fitondram-panjakana, arindran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, izay vatsian’ny Unicef vola ka ny Fid no manatanteraka eny ifotony.
Tatiana A