Niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy teny amin’ny Rocade ny olona roa avy namonjy sasakalina teny amin’ny Père Pedro…
Noraisim-potsiny! Olona roa avy namonjy sasakalina tao amin’ny Père Pedro hamonjy fodiana no nosakanan’ny jiolahy, teo amin’ny “Rocade d’Iarivo”, ny asabotsy teo. Jiolahy efatra no tompon’antoka tamin’izany, raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisy. Teny an-dalana hamonjy fodiana izy ireo no nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Norahonan’izy ireo tamin’ny basy sy antsy lava ireo olona ireo ka noterena hanome vola sy finday. Nalefan’ireo jiolahy handeha rehefa azony izay notadiaviny ka tsy navelany hitoditodika fa raha tsy izany hotifiriny amin’ny basy. Nifanena tamin’ny polisy nanao fisafoana anefa ireo niharan’ny fanendahana ka nitantara ny zava-niseho rehetra. Nohenjehin’ny polisy avy hatrany ireo jiolahy ka tsy lasa lavitra dia tratra. Nahitana basy sy antsy tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.
Fa ankoatra izany, vehivavy iray koa niharan’ny fanolanana nataona jiolahy telo teny Antanimbarinandriana, ny asabotsy alina teo rehefa avy nandeha nijery jiro maroloko teny Antaninarenina. Telo vavy izy ireo no niaraka ka teny an-dalana hody izy ireo no nifanehatra tamin’ireo jiolahy. Ny roa tafatsoaka fa ny iray kosa niharan’ny herisetra. Tsy afa-nanohatra anefa izy fa nanamparan’ireo jiolahy ny filan-dratsiny.
J.C