Tsy fahampian-drano : hametrahana lavadrano Antananarivo

Anisan’ny iharan’ny fijaliana noho ny fahatahapahan’ny rano vokarin’ny Jirama matetika ny toerana maro eto Antananarivo. Ahitana tsy fahampiana 100 000m³ ny rano vokarin’ny orinasa Jirama ho an’ny faritra Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano ary Ambohidratrimo, raha ny fanazavana voaray. Ametrahana lavadrano 35 vonjimaika ireo toerana ireo, araka izany, mba hamahana ny olana sedrain’ny mponina. Atao eto Antananarivo Renivohitra ny fito, 14 ho an’Antananarivo Atsimondrano, 7 ho an’Avaradrano ary 7 hafa ho an’Ambohidratrimo. Inoana fa hamaly ny filan’ny mponina amin’ireo faritra voakasiky ny tsy fahampian-drano ireo. Mahatratra 700m³ isan’andro ny rano azo amin’ireo lavadrano ireo.
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra io tetikasa io. Ao anatin’ny 15 andro ny fe-potoana hanaovana izany. Nohamafisin’ny Filohan’ny Repoblika fa vonjimaika ny hametrahana io tetikasa io fa tsy vahaolana maharitra. Hisy koa ny fanadihadiana mahakasika ny famatsian-drano eto Antananarivo, hametrahana ny vahaolana maharitra. Mitentina 4 995 019 000 Ariary ny tetibidin’ny fanantanterahana ny asa.

Mino

Partager sur: