An-jatony ny firenena mandray anjara amin’ny hetsika fifaninanana “First Global Challenge 2024” any Athènes ary manana solontena isika. Efa tonga any an-toerana ny tanora dimy mianadahy voasafidy hisolontena an’i Madagasikara amin’izany fifaninanana iraisam-pirenena momba ny robotika izany. Nanomboka omaly ka hatramin’ny alahady ho avy izao ny fifanintsanana, araka ny fanazavan’ny mpikarakara ny ekipa malagasy. Manana tranoheva ao anatin’ity hetsika ity ny ekipa malagasy ary nahasarika ireo olona mpitsidika ny naka sary niaraka tamin’ny mascotte gidro (biby famantarana) mampiavaka ny Malagasy.
Hiompana amin’ny fanodinana maharitra ny vokatra ho lasa sakafo ny lohahevitry ny fifaninanana. Hitondran’ny tanora mpifaninana vahaolana mifototra amin’ny robotika, hampitomboana ny vokatra sy hitsinjarana ara-drariny izany, ary tokony ho ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana. Olana sedrain’izao tontolo izao ny tsy fahampian’ny sakafo sy ny faharavan’ny tontolo iainana nefa mifampiankina ka hisarihana ny tanora hitondra vahaolana maharitra. Tojo Emrick Rajomarison, Sahaza Andrinirariny, Aina Finaritra Manandraibe, Maharisoa Grace Raoloson, Ramamonjisoa Alinoro Maria ireo tanora malagasy mpifaninana. Mpiandraikitra azy ireo kosa Rasoanaivo Hanitrarivo sy Ramarosandy Zosahaza Marline.
Vonjy