Hisitraka fizarana rantsam-batana artifisialy (prothèse artificielle) ny olona marefo ara-pivelomana manana fahasembanana 500. Hetsika hatao mandritra ny 42 andro, iarahan’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny governemanta Indiana izany, araka ny fampahafantarana nandritra ny filankevitry ny minisitra.
Voalaza nandritra ny dinika momba ny famatsiam-bolan’ny fananahana ara-pahasalamana any New York fa anisan’ireo modely azo alaina tahaka eto Afrika amin’ny fampiasam-bola ho fampiroboroboana ny fandrindrana fianam-pianakaviana i Madagasikara. Nitondra ny feon’i Madagasikara amin’ ireo ezaka sy zava-bita ary ireo fandaharanasa mahakasika izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka
Anisan’ny loza mitatao sy hatrehin’ny any amin’ ny faritra atsimon’i Madagasikara iny ny haintany. Manoloana ny olana miverimberina matetika, nanatanteraka atrikasa fanavaozana ny fiatrehana ny tandindon-doza ho an’ny faritra Anosy sy Androy ny BNGRC sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Nizara roa ny atrikasa, ny voalohany nahafahana nitondra fanitsiana ny fomba fiasa amin’ny fanavaozana ny drafitrasa fiatrehana ny haintany. Faharoa ny fanaovaozana ny drafitrasa fiomanana ho an’ireo faritra roa ireo.
Hotontosaina ny 2 sy 3 oktobra ho avy izao ny fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono karakarain’ny fikambanana Fitia sy ny fondation Akbaraly. Nisy ny fanentanana mialoha ho an’ireo rehetra liana amin’ny fisorohana sy hanao fitiliana. Eny amin’ny foibe fandrasiana ireo olona niharan’ny herisetra Mahamasina no hanaovana ny hetsika.