Fikambanana Vendée Akamasoa : nahazo toeram-pitsaboana Antolojanahary

Vita ny toeram-pitsaboana eny Antolojanahary, an’ny fi­ka­m­banana Akamasoa tantanin’i mompera Pedro. Nanohana ny fananganana ny ftodrafitrasa ny département de la Vendée (Fran­tsa) rehefa nahita ny eza­ka nataon’i Mompera sy ny mpiara-miasa aminy. Nanom­bo­ka ny taona 2010 no nijoro ny fikambanana Vendée Aka­ma­soa hanao tantsoroka ny asa samihafa entina hanatsarana ny fiainan’ny mponina sahanin’io ivontoerana io.
Nahazo trano famakiam-boky sy efitrano fianarana vaovao vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny Conseil dé­par­te­men­tal de la Réunion koa ny fikambanana niaraka tamin’ny fikambanana Vendée Akama­soa ary tonga nanotrona ny fitokanana ny asa vita ny cheffe de la mission de coopération internationale et régionale du Conseil départemental de la Réunion, Isabelle Caussanel. Nanatrika ny fitokanana ny fotodrafitrasa rehetra vita ny masoivohon’i Frantsa eto Mada­ga­si­kara sy ny Président du Conseil départemental de Vendée, Alain Leboeuf, izay mitsidika eto Madagasikara.
Nanambara ny masoivo­hon’i Frantsa eto amintsika fa vonona hatrany izy ireo hanohana ny tetikasam-piaraha-mi­a­sa mampandroso ny firenena sy mamaly ny filan’ny vahoaka.

Vonjy

Partager sur: