INDRAY MIJERY

Mpilatsaka an-tsitrapo vaovao roa an’ny Jica no naterina tany amin’ny toerana hamitany iraka, any
amin’ny sampandraharaham-paritry ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena Itasy, sy ny minisiteran’ ny Fambolena sy ny fiompiana eto Analamanga, taorian’ ny fianarana teny malagasy nandritra ny iray volana. Efa nanao fitsidihana ara-pomba fanajana teny anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny minisitera mpiahy roa iantefan’ny iraka hatao izy ireo.

Nitsidika ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, omaly, ny “lauréat mandarin” tamin’ny taom-pianarana 2023-2024, avy ao amin’ny Lycée Mahajengy Fianarantsoa. Notarihin’ny talen’ny Lycée niaraka ta­min’ny solotenan’ireo mpianatra 20 nahazo ny “lauréat mandarin” izany. Anisan’ireo andrantoana ny teny sinoa ny sekoly ary eo ambany fiahian’ny masoivohon’ny firenena sinoa eto Madagasikara ka misitraka vatsim-pianarana avy aminy.

Partager sur: