Herinandro maneran-tany ho an’ny marenina : nanomezan-danja ny zo amin’ ny teny tanana

Nankalaza ny Herinandro maneran-tany ho an’ny marenina, izay nanomboka ny 23 hatramin’ny 29 septambra, ny Akanin’ny Marenina 67 ha, omaly. Lohahevitra nanamarihana izany ny “Mirotsaka ho amin’ny zo amin’ny teny tanana”. Manodidina ny 2 hetsy ny isan’ny marenina eto Mada­ga­sikara, raha ny antontanisa nivoaka farany. Eto Anta­na­na­rivo ny 20 000 amin’ireo. Mianatra eo anivon’ny Akama ny 200 amin’izao fotoana. Misy ankizy tsy manana olana ara-pifandraisana ihany koa mianatra ao an-toerana. Mbo­la betsaka ny ankizy manana olana ara-pandrenesana tsy mbola tafiditra an-tsekoly sy tsy mahay ny teny tanana. Manodidina ny 500 hatramin’ ny 600 eo ny marenina mandia ny sekoly raha eto Ma­da­ga­sikara. Anisan’ny ivontoerana mandray an-tanana ireo ankizy manana olana ara-pandrenesana ny Akama. “Zava-dehibe ny fahaizana ny teny tanana na ho an’ny olona marenina na ho an’ny rehetra mifanerasera aminy”, hoy Ravelosaotra Fitasoa Noelson, mpiandraikitra ny fampianarana ny teny tanana eo anivon’ny Akamà 67 ha. Fomba iray hahafahana manabe ireo zaza marenina sy fantsona hahafahana maneho hevitra ny fahaizana izany.

Nomarihina tamin’ny ala­lan’ny hetsika maro samihafa izany, teny an-toerana. Na­tom­boka tamin’ny fotoam-pivavahana, teo koa ireo en­drika fanentanana ara-kolontsaina nataon’ny ankizy manana fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina. Ankoatra izay, nisy ny fizarana loka sy mari-pankasitrahana ho an’ireo ankizy nandray anjara rehetra.

Mino

Partager sur: