«Jalsa Salana 2024» : niombom-bavaka ny mpino silamo Ahmadiyya

Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny foiben-toeran’ny mpino silamo Ahmadiyya Andavamamba, ny fihaonambe isan-taona faha-18 na ny «Jalsa Salana» 2024. Naha­ri­tra telo andro ny fihaonana. Nisy ny fotoam-pivavahana niarahan’ireo mpino silamo Ahmadiyya rehetra, narahina fampianarana sy fanamafisana hatrany ny firahalahiana. Araka ny fanazavan’ny misionera, Ahmed Mudassir, ny rafitry ny Jalsa Salana dia niorina avy tamin’ny fampanantenan’ilay Mesia, araka ny fahefan’i Allah (Andriananahary). Ny Jalsa Salana voalohany izay natao tany Qadian Inde, ny desambra 1891. Taorian’ izay, ny mpikambana miozolomanina Ahmadiyya dia samy manao fihaonambe amin’ny firenena misy azy ireo avy. «Ny tanjona fototry ny Jalsa dia ny hisarihana ireo mpikambana mafana fo sy mahatoky hanararaotra haka tombony eo amin’ny lafiny ara-panahy», hoy hatrany ity misionera ity. Eo koa ny hirosoana lalindalina amin’ny fahalalana masina ka hahafahan’izy ireo miroso tsikelikely handray anjara eo amin’ny lalan’ Andriananahary. Ny fihaonambe toy izao koa entina manamafy ny firahalahiana eo amin’ny samy mpikambana. Nanamafy izany rahateo ny filoha nasionaly sady misionera eo anivon’ny Miozolo­ma­ni­na Ahmadiyya eto Ma­da­gasi­kara, Mujeeb Ahmad. Mari­hina fa ny fampianarana miozolimanina dia mampianatra ny rehetra hanaja ny zon’ny tsirairay sy ny mpiray tanindrazana. Eo koa ny fijerena manokana ireo kamboty sy mahantra.

Jean Claude

Partager sur: