Befandriana Atsimo: tafapetraka ny fari-pitrandrahana any amin’ny kariera

Nidina tany amin’ireo kariera maro ao anatin’ny kaominina Befandriana Atsimo, distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana, ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (DIRMRS) Toliara, ny 19 hatramin’ny 21 desambra teo. Napetraka ny fari –pitrandrahana na « zone d’encadrement », mamaritra ny toerana azo hiasan’ny mpitrandraka madinika. Notombanana ny toeram-pitrandrahana, ny momba ny vato sy ny asa vato ho atao. Niresaka mivantana tamin’ny mpitrandraka teny an-toerana ny tompon’andraiki-panjakana.

Nampahafantarina azy ireo ny paikady sy ny politikan’ny fanjakana amin’ny fametrahana ny fari-pitrandrahana. Tanjona ny fampanarahan-dalàna ny asa fiharian’izy ireo, sady koa hiarovana amin’ny gaboraraka. Eo koa ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny andraikitra sahanin’ny minisitera mpiahy.

Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina ho fanampiana sy hitandroana ny fandriampahalemana ao amin’ny kaominina. Voakasik’izany ny mpitrandraka, ny mpividy vato, ny mpanangona mba hampaharitra ny asa fihariana.

Njaka A.

Partager sur: