Efa nisy ny fandaharanasa tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena, hanohanana ny fiarovana sosialy aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, saingy tsy ampy mahasahana ny rehetra, na efa misy fivoarany aza. Izay no nahatonga ny nametrahana ny Tetikasa fiahiana ara-tsosialy sy fiatrehana ny voina (PFSS).
Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Banky Iraisam-pirenena (BM), ny 21 desambra teo, ny fampindramam-bola, mitentina 250 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara hanatanterahana ny Tetikasa fiahiana ara-tsosialy sy fiatrehana ny voina (PFSS). Entina hanampiana ny fianakaviana tena miaina anaty fahantrana sy hiatrehana ny fiantraikan’izany. Voakasiky ny tetikasa ny tokantrano tena mahantra, manerana ny faritra 23 eto amintsika, tombanana 3 tapitrisa, na 13%-n’ny tokantrano sahirana. Haharitra 4 taona ny tetikasa.
Ho haraton’aina, miantoka ny fiarovana ara-tsosialy sy ahafahana miatrika ny fiantraikan’ny fahantrana sy ny voina ny tetikasa. Entina hanampiana ny tokantrano mahantra, hanana loharanom-bola, ahafahan’izy ireo mivelona, hiatrehana ny loza voajanahary, ny krizy taorian’ny Covid-19 sy ny krizy ara-toekarena.
Lisitra sosialy
Nilaza ny solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, Rtoa Marie-Chantal Uwanyiligira, fa “maro ny voina ara-toekarena, ny fiantraikan’ny toetr’andro, ny ara-pahasalamana nitranga teto Madagasikara, ka niantraika tany amin’ny fandrosoana ara-toekarena sy ny fampihenana ny fahantrana. Mahafaly anay ny nanamafisana ny fandaharanasa fiarovana sosialy, izay natao laharam-pahamehana, izay lasa natao fandaharanasam-pirenena mihitsy, mahakasika ireo fianakaviana tena marefo”.
Zava-baovao amin’ity tetikasa ity ny fandraisana lisitra sosialy nasionaly. Tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena ny minisiteran’ny Mponina, ny fiarovana sosialy, ny fampiroboroboana ny vehivavy handrafitra tetikasa andrana, hampiharana ny tetikasa.
Laharam-pahamehana ny vehivavy
Hanampy tosika ny fandaharanasa efa nisy teo aloha ity tetikasa ity, entina hampidinana ny tahan’ny fahantrana. Homena lanja ny maha olona, toy ny fanatsarana ny fidirana an-tsekoly ho an’ny ankizy, ny fanjarian-tsakafo ary ny fanatsarana ny fidiram-bola.
Anisan’ny ifantohana manokana ny vehivavy hisitraka ny PFSS. Nilaza Rtoa Ravelosoa Rachel Julia, mpahay toekarena misahana ny fiahiana sosialy, fa “natao izany hampihenana ny elanelana eo amin’ny lahy sy ny vavy, amin’ny lafiny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny toekarena”. Hatao laharam-pahamehana ny vehivavy hisitraka ny fanampiana ara-bola. Ao anatin’izany ny fampidirana an-tsekoly ny ankizivavy, ny fahazoana fitsaboana ara-pahasalamana sy ny fiterahana. Eo koa ny fampandraisana anjara azy ireo amin’ny fitantanana ara-bola sy ny toekarena, ny fampirisihina ny vehivavy hahay hitarika sy ny fandraisana fanapahan-kevitra.
Njaka Andriantefiarinesy