Fiaraha-miasa: 55 miliara dolara ny ampiasain’i Etazonia aty Afrika

Manakaiky kokoa an’i Afrika izao ny politikan’ny fitondram-panjakana any Etazonia, izay nentina tamin’ny fivoriana faratampony, tamin’ny tapaky ny volana desambra 2022 lasa teo.

55 miliara dolara ny vola ampiasana aty Afrika ho an’ny telo taona ho avy, ary takina ho mangarahara ny fitantanana izany eo anatrehan’ny kongresy amerikanina. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fivoriana fara-tampony, Etazonia –Afrika, i Madagasikara, tarihin’ny filoha Rajoelina Andry sy ireo delegasiona niaraka taminy. Betsaka ny laharam-pahamehana nofaritana tamin’io fivoriana io, ka andrasana ny fampiasam-bola eto Madagasikara.

Mifototra amin’ny fiaraha-miasa ny politikan’ny filoha Joe Biden, iarahana amin’ny firenena afrikanina maro ka nofaritana manokana izay laharam-pahamehana, toy ny famokarana angovo, fanaovana foto-drafitrasa, fifanakalozana ara-barotra, fiarovana ny tontolo iainana.. Nasian-teny manokana koa ny fiarovana ny tontolo iainana aty Afrika. Koa handraisana fepetra manokana mba tsy ho gaboraraka ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Ohatra, any Zambia nisy fifanarahana manokana momba izany. Eo koa ny fizahana ny fiovan’ny toetr’andro.

Tsena lehibe ny any Etazonia

Navoitra tamin’io fivoriana io koa izay azo atao rehetra mitondra fampandrosoana , toy ny fifanarahana ara-barotra “Agoa” ataon’i Etazonia sy Afrika. Misy vokatra 6500 ny voafaritra ao anatin’io “Agoa” io avy aty amin’ny kaontinanta atsimon’i afrika. Nambaran-dry zareo Amerikanina fa manome asa an’arivony maro izany, satria tsena lehibe ny any Etazonia.

Amin’ireo tetikasa rehetra ireo, ampirisihina ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hamafisina ny fiarahan’ny roa tonta, misafidy manokatra sehatra  mampivoatra ny toekarena, ary izay no hamaritana lalàna eo amin’ny roa tonta.

Nambaran-dry zareo Amerikanina fa tsy azo ekena kosa ny fitantanana tsy mazava. Marihina fa hatramin’izay i Etazonia no voalohany manampy amin’ny tsy fahampian-tsakafo aty Afrika.

Ndrina

Partager sur: