Tetikasa Lova-USAID: hanatsara ny fahaiza-mamaky teny amin’ny ambaratonga fototra

Nomarihina omaly ny fiverenan’ny famatsiam-bola amerikana eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny fanombohan’ny tetikasa « Lova » vatsian’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) no hanatanterahana izany.

Natao hanatsarana ny fianaran’ny mpianatra amin’ny ambaratonga fototra, amin’ny famakiana teny sy ny kajy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Androy ny tetikasa Lova.
Hampitaovana ny ankizy amin’ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fahaiza-manao ilaina amin’ny fananganana hoavy mamiratra ho an’ny tenany, ny fianakaviany, ny fiarahamonina misy azy ary ny fireneny. Hiantoka ny fanatsarana ny fahaizan’ny 50% ny mpianatra amin’ny ambaratonga fototra izay hiasan’ny tetikasa any Atsimo Atsinanana sy Androy mamaky teny sy mikajy ihany koa.
« Hiara-miasa maharitra ny USAID sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola hafa eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara, hanatsarana ny vokatra any am-pianaran’ny zaza malagasy rehetra amin’ny alalan’ny tetikasa Lova », hoy ny mpiandraikidraharaha amerikana, Michele Russell, nandritra ny lanonam-panokafana.
Efatra ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena hanatanteraka ny tetikasa izay tarihin’ny  Education Network, So­fiaSive,  Malagasy Ma­ho­mby,  Akama  ary ny fikambanana iraisam-pirenena mpanao fikarohana  SIL Lead. Hifantoka amin’ny fanatsarana ny fahaiza-mamaky teny sy mikajy fototra ho an’ny mpianatra ao amin’ny kilasy voalohany (T1) ka hatramin’ny fahatelo (T3), any amin’ireo sekoly voafantina, ao anatin’ny dimy taona ho avy, ny tetikasa. mitentina 10 tapitrisa dolara ny hanatanterahana azy. Hiara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny tetikasa « Lova » hanampy amin’ny fampidirana ny fianarana ara-tsosialy sy ara-pihetseham-po. Eo ihany koa ny fanabeazana amin’ny ankapobeny ary ny fanatsarana ny fampiasana angon-kevitra ao amin’ny rafi-pampianarana hanamafisana ny fanofanana mpampianatra amin’ireo sehatra ireo.

Vonjy

Partager sur: